Sosialy

Anosipatrana andrefana Olona 200 no lasibatr’ilay fako avangongon’ny kaominina


  • Talata 05 Aprily 2022

Nataon’ny kaominina fanatobiana fako vonjimaika ny etsy amin’ny Fokontany Anosipatrana Andrefana manamorona ny digy .

Vokatr’izay fako izay dia olona manodidina ny 200 isa izay monina, 5 metatra miala eo akaikin'ilay fako no lasibatra. Anisan’ny mahazo azy ireo ny kohoka, ny sery, ny aretin-kibo indrindra fa ny ankizy madinika ankoatra ny lalitra manaparitaka otrik’aretina….Lasa miara-miaina amin'ny voalavo sy ny bibikely hafa ihany koa ireo mponina izay nanajary ity toerana ity nandritra ny 70 taona ary sahy nilaza fa tsy mbola nisy mpitantana ny kaominina nanary fako teny aminy tahaka izao. Nanambara moa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo fa tsy misy tanana eo amin’ity toerana fanatobiana fako ity saingy tena misy olona 200 mivelona tokoa. Ankoatra ny eny Anosipatrana dia tsy misy toerana izay tsy ahitana fako miparitaka ihany koa eto an-drenivohitra amin’izao ka tena mampitaraina ny maro. Anisan’ireny ny eny Ambodin’Isotry….Miteraka fofona maimbo tsy laitra hiainana izy ireny no sady mahabe voalavo ihany koa izay tonga hatrany an-tokantranon’ny sasany mihitsy.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay fako be eny Anosipatrana andrefana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT