Sosialy

Anosinalainolona-Marovoay 320 ha no ho afaka volena in-droa isan-taona


  • Talata 18 Aogositra 2020

Lakandrano mirefy 3 km sy 14 m ao amin’ny Kaominina Anosinalainolona, Disitrikan’i Marovoay no diovina sy halalahina. Nanomboka ny sabotsy 15 Aogositra ny asa.

 

 

 

 Tsentsin’ny fasika tanteraka mantsy ity lakandrano ity, efa amam-polo taonany, taorian’ny fikatonan’ny orinasa FIFABE. Velaran-tanimbary maherin’ny 320 ha eo no voatondraka rano aorian’izao asa izao ary ho afaka hamboly in-droa isan-taona ny tantsaha raha toa ka ny asara ihany izy ireo no afaka namboly vary teo aloha ary zara raha mahazo vary akotry efatra gony amin’ny tanimbary antsasaka hekitara noho ny tsy fisan’ny rano. Manantena hahavoka-bary hatrany amin’ny 3 taonina isaky ny hekitara izy ireo rehefa vita ity lakandrano ity. Ny fiara vaventy avy amin’ny BNGRC no anaovana ny asa fanadiovana ny lakandrano. Tsipaipaika teo amin’ireo mpahazo tombotsoa ao Anosinalainolona kosa ny solika sy kojakoja nampandehanana azy. Ankoatra ireo dia nanome solika 200 litatra ihany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao Marovoay.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT