Sosialy

Anosimasina –Itaosy Mirongatra ny vaky trano sy ny fanendahana


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Mirongatra ny vaky trano sy ny asa fanendahana ao anatin’ny fokontany Anosimasina, kaominina Bemasoandro Itaosy. Nanomboka ny volana mey lasa teo no nitrangan’izany,

 

 

 

 hoy Rasoaniaina Zoe Claire, sefom-pokontany ao an-toerana ka tokantrano maro no efa lasibatra. Ankoatra izay dia manao ny ataony ihany koa raha ny fanazavany ireo mpanendaka. Manomboka eo amin’ny Horizon ka hatrany amin’ny PMU eny Ampasika no tena ahitana izany, hoy izy ka tsy matahotra ireo jiolahy na dia amin’ny andro atoandrobe nanahary aza. Voatery nandray fepetra izy ireo ka efa misy ny fiaraha-miasany amin’ny polisy sy ny zandary. Anisan’izany ny fanaovana fisafoana eran’ny tanàna, ny fanentanana ny mponina mba tsy hivoaka intsony manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina….. Efa nisy ny vokatra azo, hoy hatrany ity sefom-pokontany ity ka hiezaka hatrany izy ireo sy ny kaominina ary ny mpitandro ny filaminana hanatsara ny fomba fiasany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT