Sosialy

Anosibe Volaniray Nitrangana hain-trano, ripaka ny kisoa


  • Talata 19 Janoary 2021

Nitrangana hain-trano tetsy Anosibe Volaniray omaly tokony ho tamin’ny 07 ora maraina.

 

 

Trano hazo iray no niavian’ny afo izay tombanana ho vokatry ny afon-kitay raha ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana ka niitatra tamina trano hazo am-polony. Vokany, nananika ny taribin-jiron’ny JIRAMA mihitsy izany ka voatery notapahana ny herinaratra teny an-toerana. Vola sy fananana nohariana am-polo taonany no nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso vokatr’izany ka anisan’ireny ireo kisoa matavy nompiana miisa 5. Iray monja no tafavoaka velona raha araka ny fantatra hatrany fa ny ankoatra izay dia taraiky avokoa. Ireo mponina teny an-toerana ihany moa no nifanome tanana namono ny afo ka voafehy tao anatin’ny fotoana fohy ihany izany. Marihina fa somary nahazo afovoan-tanana ity nisy trano may ity ka sahirana ihany ny sampana mpamonjy voina raha nantsoina teny an-toerana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT