Sosialy

Anosibe Paraky Voasambotra i Félicien mpivarotra rongony


  • Alarobia 10 Jona 2020

Lehilahy iray antsoina Felicien, 45 taona no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny PPA Ilanivato mivarotra rongony teny Anosibe Paraky ny Alahady, 07 jona teo tokony tamin’ny 08 ora maraina.

 

 

 

 Rehefa nosavaina izy dia nahatrarana rongony miisa 9 fonosana lehibe. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po fa misy lehilahy mivarotra rongony eny an-toerana. Vehivavy kely roa no irahan’ity lehilahy ity hividy ireo rongony hamidiny. Rehefa natao ny velam-pandrika ka narahana ireto vehivavy kely ireto dia nanoro ny olona naniraka azy. Tratra teo amoron-dalana teo Anosibe ity mpivaro-drongony ity teo am-piandrasana ireto vehivavy kely roa ireto. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nanda izy fa tsy azy ireo rongony izay tratra teny aminy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT