Sosialy

Anosibe Noraofin’ny kaominina ireo sarety sy kalesa mpivarotra


  • Alarobia 10 Febroary 2021

5 hetsy Ar eo ny vidin’ny kalesy iray fitondrana akondro mandehandeha amin’izao.

 

 

Ny nampalahelo anefa dia kalesa sy sarety eran’ny kamiao no noraofin’ny kaominina teny Anosibe omaly, izay notsindriana Renim-pianakaviana iray mihitsy fa nopotipotehan’izy ireo. Mbola tohin’ilay raharaha fandrarana ireo mpitondra kalesa mitondra akondro sy sarety izay voalaza fa manembantsembana ny fifamoivoizana sy mibahana ny arabe sy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra no anton’izany. Nitroatra mafy ireo mpanotrika akondro eny Namontana noho izany. Fa hanao inona izahay hoy ny Renim-pianakaviana iray, hangalatra hogadraina nefa mivarotra ara-dalàna arahina gidragidra ihany koa. Nanambara moa izy ireo fa efa nikasa ny hihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina tamin’ny afak’omaly alatsinainy nanombohan’ny hetsika saingy tsy nety nandray ny kaominina. Amin’ny herinandro indray no fotoana vaovao azon’izy ireo, fotoana izay nambaran’ ity Renim-pianakaviana ity fa tokony efa hampidirana vola 10.000 Ar isan-tokantrano ho an’ny mpitondra kalesa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT