Sosialy

Anosibe nitrangana hain-trano Tsy azo anorenana trano hazo intsony


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Mba ho fiarovana ny ain’ny mponina dia tsy azo anorenana trano hazo intsony ao amin’ny fokontany Anosibe Andrefana I, toerana nisian’ilay hain-trano goavana namoizana ain’olona efatra farany teo.

 

 

 

Mbola misy amin’ireo traboina ihany anefa no minia manao izany, izay nambaran-dRafanomezantsoa Jean Laurent lefitry ny sefom-pokontany ao an-toerana fa tsy maintsy handraisana fepetra manokana. Harodana ny trano raha araka ny fanazavany ary iarahana amin’ny lehiben’ny Boriborintany fahefatra izany mba hahafahana mandrindra ny filaminana. Volakely monja mantsy, hoy izy, no elanelan’ny manamboatra trano biriky sy ny trano hazo amin’izao noho ny fidangan’ny vidin-kazo nefa hahafahana miaro ain’olona sy misoroka ny loza mety hitranga. Ho an’ireo traboina tsy manana fahafahana kosa dia nambaran’izy ireo fa tsy rariny na dia fantatra aza fa hanolo-tanana azy ireo ny tompon’andraikitry ny tanàna. Tonga nitsidika azy ireo ny faran’ny herinandro teo ny foundation telma sy ny vondrona axian ary ny  Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Ankoatra ny fihainoana mivantana ny hetahetan’ireo mponina dia nanolotra vary, savony, siramamy ho an’ireo fianakaviana miisa 200 ihany koa izy ireo ho fanampiana azy amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Nambaran-dRtoa Kassy Nirina Dor, talen’ny serasera eo anivon’ny vondrona axian moa fa tafiditra ao anatin’ny hetsika fanampiana amin’ny maha olona tanterahin’izy ireo izao izay niarahany tamin’ny Humanitarian Plateform Madagascar ihany koa.

Pati sy Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT