Sosialy

Anosibe Ifanja May ny tanàna


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Nitrangana hain-trano goavana omaly tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anosibe Ifanja, Faritra Itasy.

 

 

 

Ao amin’ny tanànan’i Morafeno raha faritana tsara no nisehoan’izany. Nanomboka tamin’ny 10 ora atoandro ny firehetana, fotoana tsy nahatao an-toerana ny ankamaroan’ny tompon-trano. Saika ora fandehanan’ny tsirairay mamita asa any an-tsaha avokoa mantsy io ora io ka ireo ankizy tavela tao an-tanana sisa no namono ny afo. Tsy mbola fantatra mazava moa hatramin’ny fotoana nanoratanay izay antony nahatonga izany firehetana izany. Toa mampahatsiahy ny fiakaran’ny dahalo an-tanana kosa ny firehetana tahaka izao hahafahany maka sy mandroba ireo omby sy kisoa hany fananana kelin’ny fokonolona. Trano am-polony no efa tsy nisy tafo intsony nandritra ny firehetana raha mbola tsy fantatra ny isan’ireo tsy manan-kialofana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT