Sosialy

Anosibe-Antananarivo Manjaka ny havoretrana sy tsy fifanajana


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Samy manao izay saim-pantany, ary toy ny tany tsy misy lalàna amina toerana maro eto an-drenivohitra, tahaka ny etsy Anosibe.

 

 

 

Fifamoivoizana mikorontana, sarety mibahana sy manelingelina, tatatra lasa fanariana poti-kanina sy rano maloto, indrindra fa ny fako. Tsy tahotra tsy henatra ny fanaovana maloto an-dalambe. Olombelona no misokitra sy manadio ireny fako sy maloto ireny fa tsy sanatria biby. Tsy tonga saina anefa ireo olona efa zatra gaboraraka. Mba vita tsara ihany ny fotodrafitrasa satria fotaka mandrevo ny teny fahiny, saingy tsy misy fanajana ireo fananana iombonana ireny. Ny mpitondra hatrany no mahazo tsiny. Rehefa dinihina dia toa ny Malagasy mihitsy no sakana amin’ny fandrosoana. Mila fanabeazana sy fahatongavan-tsaina, saingy toa miandry andrasana tahaka ny omby vao hanara-dalàna sy hikolo sy hanaja ny tontolo manodidina. Ny fitaizana tsy ampy, ny olona zatra gaboraraka, mpitondra mety tsy ampy fandraisana andraikitra. Sanatriavina, toa ny biby indray no mahay miara-miaina sy mitsinjo kokoa ny manodidina azy. Mila fahatongavan-tsaina !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT