Sosialy

Anosibe Angarangarana Trano maro lasa lavenona


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Trano hazo manodidina ny 20 sy trano lehibe vita amin’ny biriky miisa 5 no rotidrotiky ny afo teny Anosibe Angarangarana, akaikin’ny fiangonana FJKM Ziona Famonjena omaly hariva.

 

 

Nanomboka tamin’ny 5 ora ny afo ary naharitra ora iray teo vao vaofehy. Raha ny fanazavana vonjimaika, dia tsy nisy olon-dehibe tao amin'ny iray tamin'ireo trano hazo ary nandrehitra afo ilay ankizy tao ka nitarika izao hain-trano izao. Levon’ny tsy nisy horaisina ireo trano hazo sy ireo trano biriky. Vetivety rahateo dia niparitaka tamin'ireo trano hazo nifanolo-bodirindrina taminy ny afo, nanampy trotraka ny fitsoky ny rivotra. Tsy nisy ny aina nafoy fa nisy kosa ny naratra. Ankoatra izay, may kila forehitra ihany koa ny kisoa miisa efatra ankoatra ireo vola sy fananana nohariana an-taonany maro lasa lavenona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT