Sosialy

Anosibe Angarangarana Enin-dahy tratra nivarotra rongony


  • Talata 19 Mey 2020

Enin-dahy mpivarotra sy mpanjifa rongony eny amin’ny faritra Anosibe Angarangarana no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy ny alahady 17 mey teo tokony tamin’ny dimy ora maraina.

Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitra-po ny polisy fa misy olona mivarotra rongony eo Anosibe Angarangarana. Natao ny fanaraha-maso azy ireo ka tsikaritra tamin’izany fa misy tovolahy mivezivezy mivoaka sy miditra ao amina trano iray. Niroso avy hatrany taminy fisamborana ireo olona ireo ny polisy ka niroso tamin’ny fidirana tao anatin’ilay trano koa. Enin-dahy no voasambotra tao anatin’io trano io ary nahitana rongony enina gony ihany koa tao izay efa vita fonosana ny roa gony ary mbola atsinjarany kosa ny efatra gony. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa amidiny 500 Ar ny fonosana rongony iray ary antso an-tariby no ifandraisany amin’ny olona mpanatitra izany rongony izany ao aminy. Efatra hetsy ariary no hivifdiannay ny iray gony any amin’io mpamatsy azy io. Fantatra ihany koa fa mpividy rongony sy mpibata entana ao aminy ireo olona voasambotra tao antrano niaraka tamin’ny rongony ireo. Efa nigadra ny tovolahy iray izay tompon’ny entana tamin’ny taona 2017 noho ny resaka rongony ihany ka izao tra-tehaka izao indray.Natolotra ny fitsarana omaly koa izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT