ANOSIBE ANGARANGARANA

Diovina ny tatatra hisorohana ny tondra-drano


  • Zoma 16 Febroary 2024

Sektera miisa 4 ao amin'ny Fokontany Angarangarana no hanatanterahana

ny asa fanadiovana tatatra mirefy 820metatra nanomboka omaly Alakamisy 15 Febroary toy ny faritra voalohany Angarangarana tampo-tanana, faritra faharoa Rondpoint Coco, faritra fahatelo Nanahazana, faritra faha efatra Andriamanangona. Maharitra 6 andro no hanatanterahana ny asa ka olona miisa 100 no hanao izany izay mponina tena sahirana ara-pivelomana. Fanampiana ara-tsakafo avy amin'ny fitondram-panjaka amin'ny alalan'ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC) no omena ireo mponina izay miasa na asa takalo sakafo , ka vary milanja 1 500kg ,tsaramaso ary menaka 150Litatra no tontaliben’ny takalon’ny asan’ireo mponina tena sahirana ireo. Tanjona ny hanampiana ireo mponina izay efa miaina tanteraka ao anaty rano nanomboka ny faramparan’ny volana Febroary lasa teo. Tokantrano maro amin’iny faritra iny mantsy no efa milona ao anaty rano raha vantany vao mivoaka ny tokonana antony mampahazo vahana ny asa fitaterana amin’ny lakana eny amin’iny faritra iny. Tsy lazaina intsony ny fifangaroan’izy ireo amin’ny maloto mitsingevana vokatry ny fahatsentseman’ny lakan-drano.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fanadiovana natao nanomboka omaly!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT