Sosialy

Anosibe Andrefana II Nanao fanadiovana faobe ny Kaominina


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Mitohy hatrany ny fanadiovana faobe izay ataon’ny eo anivon’ny Boriboritany faha-4 anatin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra.

 

 

 

 Raha ny omaly alarobia 13 martsa 2019 dia ny teny Anosibe Andrefana II no nanaovana ny hetsika. Fokontany enina sy fikambanana RF2 miisa 3 no niara- nisalahy tamin’ izany, izay nahitana ny RF2 Ivolaniray , Mandrangobato ary Anosibe II . Niompana tanteraka tamin’ny fanalana ireo fako izay eny amin’ny faritra maro ny fanadiovana, teo koa ny fisokirana ireo fako amin’ireo lakandrano izay manentsina ny fikorianan’ny rano . Voafidy manokana io Fokontany io nohon’ny habetsahan’ny loto izay mila esorina haingana, satria mety hitondra valan’aretina hafa indray. Nisy ihany koa ny fanentanana maro samy hafa izay natolotra ho an’ireo mponina manodidina, ny mba hanajana ny fahadiovana ka hananana tanàna madio ho lavitry ny aretina. Mipaka eny amin’ny Fokontany maro izany asa fanadiovana izany fa tsy hijanona hatreo ihany .Mandia taona vaovao ny CUA, irariana mba ho taona fiotazana tokoa satria 2018 dia taona fanomanana zava-maro, hoy ny fiadidian’ny tanàna. Tsy mandehandeha ho azy ny asa fanadiovana, fa misy ny tetikasa mazava tanterahina iarahan’ny CUA manao amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa dia ny PIAA (Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo). Namatsy vola hatrany ny CUA efa am-polo taonany  ny AFD, ary narahina famatsiana fitaovam-piasana iraisan’ny CUA, SAMVA, APIPA, Ministeran’ny rano,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT