Sosialy

Ankozomiriotra Tsy salama saina tia mampianan-janaka


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Betsaka no hambakain’ny tsy salama saina amin’izao na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika ka mahatsiaro ho sahirana. Renim-pianakaviana iray voalaza mantsy fa marary saina tany Ankazomiriotra,

fari-piadidiam-pampianaran’i Mandoto, DREN Vakinankaratra no nahavita nampiditra an-janany any an-tsekoly, omaly. Tao amin’ny EPP Marovato no nateriny i Hasina, zanany lahikely vao 8 taona monja hanovo fahalalana ao amin’ny APP Marovato. Raha araka ny loharanom-baovao dia vao hiditra ao amin’ny taona voalohany mihitsy io zaza io. Tsy vitsy ireo nahatsiaro ho tohina noho ity tranga ity araka izany. Betsaka mantsy ireo salama vatana sy salama saina saingy tsy mihevitra akory ny hampiditra an-janany an-tsekoly ho fitsinjovana ny ho avin’izy ireny sy ho fanajana ny zony. Anatra ho antsika Ray aman-dReniny tsy mahatsiaro ny adidiny ity tranga tany Ankazomiriotra ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT