Sosialy

Ankorondrano andrefana Trano 100 mahery mety harodana


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Misy ny fanotorana tany eny amin’ny fokontany Ankorondrano andrefana amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

 Honahona sy tsikafona ity toerana totofana ity ary tany mirefy 3 hektara eo izy io. Mizara roa ity fanotofana tany eny Ankorondrano ity, hoy ny fanazavan’ny mponina. Tsy fantatra ny tompony, hoy izy ireo ary tsy fantatra ihany koa ny mpividy fa araka ny siosion-dresaka mandeha teny an-toerana, dia teratany vahiny no nividy azy. Misy trano tsy voakasiky ny fanotorana, misy kosa ny voakasika. Ireo voakasika dia tsy manana taratasy ara-dalàna, hoy ny fanazavana, ka tafiditra amin’ny fandrodanana sy fanotofana. Manodidina ny zato mahery ireo trano voakasika amin’izany, izay tonga hatreny amin’ny lalamby, hoy hatrany ireto mponina. Misy kosa ireo tsy voakasika, fa manana taratasy ara-dalàna, saingy, ny olana ho azy ireo dia ny tsy fisian’ny lakan-drano izay hivoahan’ny rano, hany ka miandrona ny rano ary rehefa fahavaratra dia miakatra ny rano. Nambaran’ireo mponina hatrany, fa manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina no manao izay fanotorana tany izay ireo mpiasa. Efa tao anatin’ny telo volana izay no nanao io fanotorana tany io, izy ireo, hoy hatrany ny fitarainana. Ho aiza izahay, raha ravana sy arodana ny tranonay, hoy izy ireo ? Koa manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireo mponina, hijery akaiky izao olana izao. Marihana, fa tsy tazana teny an-toerana ny mpiasa sy ilay vahiny nividy ny tany ary ireo milaza ho tompony, tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana.

 

Sitraka r. 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT