Sosialy

Ankorondrano Andranomahery 40 isa ireo tokantrano traboina misy olona 80 mahery


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Raha saika voaresaka hatrany ireo traboina vokatry ny fihotsahan’ny tany teto an-drenivohitra tato ho ato dia zary adino kosa ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra iva.

 

 

 

 

Anisan’izany ny eny amin’ny Fokontany Ankorondrano Andranomahery izay efa  misy tokantrano traboina miisa 40 ankehitriny. Manodidina ny 80  isa ireo  olona nonina tamin’ireo trano ireo  izay nomarihin’ny sefom-pokontany ao an-toerana fa tena nihena be raha oharina amin’ny isan-taona. Tamin’ny taon-dasa mantsy dia nahatratra 100 isa ireo tokantrano traboina ary voatery napetraka tao amin’ny fokontany avokoa izy ireo nialokaloka. Tamin’ity taona ity kosa dia nanaovan’ny fokontany ezaka manokana ny fanokafana ireo  tata-drano teny an-toerana ka nihena be ny isan’ireo traboina. Na izany aza anefa hoy ity sefom-pokontany ao Ankorondrano Andranomahery ity dia mbola misy amin’ireo orinasa goavana eny amin’ny manodidina  ihany no manototra tany koa hiangaviany izy ireny mba  hijery sy hitsinjo ireo madinika.  Fihetsika kely monja mantsy hoy izy dia mety hiteraka fahoriana ho an’ireo mpiray tanindrazana amintsika. Ankoatra ity fokontany iray ity moa dia maro eto an-drenivohitra ihany koa no ahitana traboina amin’izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT