ANKIZY VOATERY MIASA ASA

Efa mahatratra 2 tapitrisa mahery eto Madagasikara


  • Talata 15 Oktobra 2024

Efa mahatratra 2 tapitrisa mahery ny isan’ireo ankizy latsaky ny 18 taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa eto

amintsika raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Asa sy ny Asam-panjakana Razakaboana Hanitra. Saika eo amin’ny sehatra tsy manara-dalana avokoa no misy azy ireo toy ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny asa an-trano, …Nisy araka izany omaly Alatsinainy 14 Oktobra ny fandrafetana drafitra vaovao ho enti-miady amin’ny fampiasana ankizy izay niarahan’ireo karazana Ministera tamin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT. Drafitra vaovao hohampiasaina mandritra ny 10 taona io vao horafetina io, izany hoe : manomboka ny taona 2025 ka hatramin’ny taona 2035. Ho entina avy hatrany ao Antsirabe anio Talata 15 Oktobra ireo hevitra nangonina teto an-drenivohitra hakambana amin’ny hevitr’ireo fiaraha-monim-pirenena, orinasa …. ao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Tanjona ny hahafahana mampihena na manafoana mihitsy ireo ankizy latsaky ny 18 taona misehatra amin’ny asa sahady eto amintsika. Tsiahivina moa fa efa misy foana ny fandrafetana drafitra tahaka izao saingy ny mampalahelo dia tsy misy mihitsy ny fampiharana izany fa vao mainka mitombo aza ireo ankizy miditra eo amin’ny sehatry ny asa vokatry ny fahantrana mihoampampana eto amintsika
Pati
Legende : Anisan’ny asa mafy hataon’ny ankizy ny fitaomana biriky tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT