Sosialy

Ankizy voan’ny homamiadana 100 isan-taona ireo manatona ny hopitaly HJRA


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Tena mahazo vahana be ny homamiadana mpahazo ny zaza eto amintsika ankoatra ny homamiadana mpahazo ny vehivavy.

 

 

 

 

 

Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana fitsaboana ny zaza eo anivon’ny hopitaly  HJRA  Ampefiloha dia mahatratra 100 isan-taona ireo mandalo ao an-toerana. Ny homamiadan’ny ra, ny homamiadan’ny atoditariana, ny fivontosana any amin’ny taova toy ny voa, ny kibo, ny homamiadan’ny maso no tena maro an’isa indrindra amin’izany. Ho an’ity farany manokana dia ilay maso somary fotsifotsy mitovy amin’ny mason-tsaka no hahafantarana azy ka tokony ho malina ireo ray aman-dreny. Fomba fisehon’ireo karazana homamiadana hafa ihany koa ny ra mandeha lava amin’ny oron’ny zaza raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray manampahaizana manokana momba izany, ankoatra  ny fivontosana eny amin’ny tongotra na tanana. Ny fanaovana chimiothérapie sy ny radiotherapie ihany hatreto no fomba iray hahafahana miady amin’ny aretina homamiadana. Manodidina ny 2 hetsy sy 1 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 10 tapitrisa Ar ny vola ilaina amin’izany raha kely. Betsaka anefa ireo ray aman-dreny manan-janaka marary no tsy manana fahafahana ny hitady io vola io koa manao antso avo amin’ireo malalatanana sy ireo tsara sitrapo izy ireo mba hifanolo-tanana aminy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT