Sosialy

ANKIZY VAVY 11 TAONA BEVOHOKA Tsy nanano sarotra ny fiterahany


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Zazavavy 11 taona mahery bevohoka, mbola nanohy nilalao niaraka tamin’ireo ankizy namany izy tamin’izany,

 

 

 

 morainy teo am-piterahana fa tsy araka ny tebiteby nahazo ireo fianakaviana sy ny mpitsabo nandritra ny fitondrany vohoka. Teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany izy no niteraka ny zanany lahy kely izay indray andro sy indray alina no nihetsi-jaza nefa nony tonga ny fotoam-piterahany dia tsy nanano sarotra izany. Mintatara sady nisento lalina ny reniny niteraka an’io ankizy bevohoka tsy ampy taona io. «Nitebiteby andro aman’alina tamin’ny fotoana nitondran’io zanako vavy io  vohoka. Ny dokotera izay nandray azy sy nampisafo azy nandritra azy bohoka aza tsy sahy nampiteraka azy fa nanome taratasy hiakarana hopitaly lehibe. Tsy araka ny tahotra aman-tebiteby anefa ny zava-nisy fa morainy izy raha niteraka. Fony izy nitondra vohoka dia mbola milalao miaraka amin’ny ankizy namany amin’ny mahazaza azy. Saingy na izany aza niasa hatrany izy, indrindra ny fiandraketana ny fanasana lamba ka mety izay tanjany ara-batana izay no nanampy azy. Nezahanay nomena ireo sakafon’ny ny vehivavy bevohoka izy, sady natanjahana hatrany ny môraliny mba hitraka. Salama tsara ilay ankizy niteraka sy ilay zaza lahy izay efa mandray faharoa taona amin’izao fotoana izao”, hoy Raveloarisoa beben’i Tsiory, raha nitantara ny fitondrana vohoka an’ity farany i Brenda Angela reniny. Ny olona tokoa no harena, mahatsiaro sambatra ireto fianakaviana kely ireto amin’izao fotoana izao ary hadinony ny henatra teo amin’ny fiarahamonina sy ny asa saina izay nianjady tamin’izany. Ny hamoahana izao vaovao izao tsy sanatria hanomezana vahana ny fiterahana tsy ampy taona fa hanajana ny maha olombelona raha sendra tranga tsy ampoizina toy izany.

Haja Nirina

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT