Sosialy

Ankizy tsy manana kopia ao Toamasina Mila jerena, hoy ny mpanakanto Nantenaina


  • Talata 19 Martsa 2019

Elaela no tsy nahenoana ny mpanakanto Nantenaina. Mitohy ny mozika, hoy izy, saingy izaho dia artista nisafidy ny ho balizin’ny fiarahamonina. Tsapako fa betsaka ireo ankizy tsy manana kopia sy sora-piankohonana ao Toamasina ary tsy misy mpijery.

 

 

 Olana be io nefa lazaina foana fa zon’ny ankizy ny mianatra. Tsy afaka hianatra sy hahazo diplaoma anefa ny ankizy raha tsy mahazo an’io ary heveriko, hoy I Nantenaina, fa naman’ny herisetra ny tsy fandraisana andraikitra manoloana izany satria tandindomin-doza ireo ankizy ireo. Raha tsy manana izany mandra-paha lehibe izy dia na ho mpibata entana ka mety higadragadra fahatany noho ny tsy fahitana karapanondro raha tratra alina na ho lasa mpanao ratsy. Mila jerena izany ary antony nanaovako laharam-pahamehana ny fifanarahana tamin’ny tribonaly tao an-toerana mba hahafahana ankizy maherin’ny 4000 isa hahazo kopia. Niisa 3000 moa no efa nisitraka izany ny taona 2018 ary ho amin’ity taona ity kosa dia efa miandry ao ny ho ana ankizy 1200 isa, raha ny nambarany hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT