Sosialy

Ankizy tsy hita teny Itaosy Izay vao nipoitra ny tena marina


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Izao vao tena fantatra ny marina mahakasika ireo ankizy telo mianadahy very teny Itaosy ny herinandro lasa teo ary efa hita soa aman-tsara. Rangahy iray izay tsy fantatr’izy ireo no nolazainy tamin-dReniny fa nanambitamby vola azy ary nitaona azy ireo mba hanaraka azy.

 

 

Ankoatra ilay vola efa nomeny mantsy dia mbola nampanantena zavatra  hafa azy telo mianadahy ihany koa ilay Rangahy ka roboka izy ireo. Nentin’ilay Rangahy taxi-be izy telo mianadahy taorian’izany ary nariany teny Anosizato noho ny antony tsy fantatra.Raiki-tahitra ireo farany noho ny zava-nitranga, ny andro rahateo efa nihamaizina ka  ka lasa nandeha dia an-tongotra  nankeny amin’ny tonelina  Ambohidahy, mba hitadiavana toerana hatoriana.Tamin’izay indrindra anefa no nisy nahita izy ireo ka  nanatitra azy nody   teny an-tranony eny Itaosy. Tsy nisy araka  ny feo nandeha teo aloha moa ilay resaka fiara 4x4 izay voalaza fa naka azy ireo. Na izany aza dia salama  tsara izy telo mianadahy kely ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT