Sosialy

Ankizy sima Iray isaky ny telo minitra ireo teraka lasibatra


  • Zoma 28 Febroary 2020

Iray isaky ny telo minitra ireo zaza menavava vao teraka fantatra fa sima maneran-tany.

 

 

 

 

 Ankoatra ireo hita mivantana ety ivelany dia maro ihany koa ireo misy goaka ny lanilaniny, antony tsy hahafahan’izy ireny misakafo na miteny ara-dalàna. Lafo dia lafo anefa ny saran’ny fandidiana ireo ankizy sima, antony tsy hahafahan’ireo fianakaviana sahirana miroso amin’izany. Izay indrindra no nanosika ny operation smile hanao fandidiana maimaimpoana entina hanampiana azy ireo.  Firenena maro no efa teteziny hatreto ka anisany i Madagasikara. Tato anatin’ny 13 taona nisian’izy ireo dia efa mihoatra ny 7.400 ireo ankizy efa nozahany ary nahatratra 3.381 kosa ireo vita fandidiana hatramin’ny taona 2007, hetsika izay tohanan’ny orinasa Star.  Fanampiana manodidina ny 8 tapitrisa Ar isan-taona no atolotr’izy ireo ka tafiditra ao anatiny ny fanomezana  rano maimaimpaona ho an’ireo mpitsabo sy marary. Notanterahina omaly indray ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Mikasika ny fandraisana an-tanana ireo ankizy sima moa dia fantatra fa amin’ny volana martsa no hanombohan’ny roa tonta  izany ao Antsirabe ka ankizy miisa 125 no hahazo tombontsoa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT