Niteraka resabe teto amintsika mihitsy ka nanosika ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena handray andraikitra, indrindra fa ho an’ireo sekoly
tsy miankina sasany ny fanivanana ireo ankizy mpianatra tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE na BEPC ao amin’ny taona fahadimy sy fahatelo ka nampitaraina ireo ray aman-dreny sasany. Misy amin’ireo mpianatra mantsy no tsy avelan’ilay sekoly hiatrika fanadinam-panjakana fa manimba ny vokatra tokony ho azony sy ny lazany, hono, indrindra fa ho an’ireo ratsy naoty sy tsy mahaloa saram-pianarana ara-dalàna. Namoaka “note de service” ity minisitera iray ity fa zon’ny ankizy mpianatra ny miatrika ny fanadinam-panjakana ary tokony hosoratana anarana avokoa izy ireny ho an’ireo kandida handray anjara eto amin’ny tany sy ny firenena. Nanambara ny minisitera fa hosazian’izy ireo ny sekoly tratra manao izany. Miantso ireo tompon’andraikitry ny sekoly rehetra ny minisitera mba samy hanaraka ity naoty navoakan’izy ireo ity. Miantso ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa izy ireo mba hanatona ny sekoly raha sanatria ka manana olana ny zanany hahafahana mitady vahaolana haingana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.