Sosialy

Ankizy nilalao “Roller” Niaiky ny fahadisoany ny Ray aman-dRenin’izy ireo


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Omaly ihany dia tonga teny amin’ny paositry ny pôlisy ny Ray aman-drenin’ireo ankizy mpialalao Roller eny amin’ny arabe rehefa nandefasana fampiantsoavana.

 

 

Nisy ny fampatsiahivana ny  amin’ny fandraisana andraikitra tokony hataon’ny Ray aman-dreny amin’ny zanany ary koa ny fampahalalana azy ireo fa tsy azo atao ny milalao roller eny an-dalam-be fa efa misy ny faritra voatokana hanaovana izany. Nanaiky ny fahadisoany ireo Ray aman-dreny ary nilaza fa tsy hamela ny zanany hanao izany intsony. Ireo roller notazomina kosa dia naverina tamin’ireo zaza ary nampianarina koa ireto farany fa mampidi-doza ny filalaovana izany eny amin’ny arabe ka tsy azo averina intsony. Ankoatra ny loza mety aterak’izany moa raha tsiahivina dia ankizy maro no efa naratra sy nahita faisana tamin’ny fampiasana ireny karazana kilalao ireny teny amin’ny arabe.Omaly moa dia ankizilahy miisa roa 10 sy 09 taona no tratran’ny polisin’ny boriborintany fahafito misavika taxibe miaraka amin’ny « patin à roulette » teo akaikin’ny parking 67ha. Ankizilahy 11 taona iray ihany koa no mbola hitan’ny polisy mandeha « Patin à roulette » eny amin’ny arabe hifamoivoizan’ny fiara

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT