Sosialy

Ankizy niharan’ny herisetra Tsy mahafa-po ireo fianakaviana ny sazy mihatra amin’ireo mpanolana


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Betsaka ireo ankizy iharan’ny herisetra eto amintsika. Lohalaharana amin’ireny ny fanolanana izay tsy mifidy taona intsony ary ny

 

 

 

ankabeazany dia saika olona akaiky azy ireo ihany toy ny dadatoa, dadafara, raikely, eny hatramin’ny ray niteraka mihitsy aza no manao izany. Ny mampalahelo anefa raha araka ny resaka nifanaovana tamina fikambanana iray miaro ny zon’ny ankizy  dia tsy mahafa-po  ireo ray aman-dreny manan-janaka voaolana sy ireo ankizy noraisina an-tanana  ny sazy omen’ny fitsarana azy ireny. Misy ireo mahazo sazy miantona fotsiny  na dia  efa namotika fiainan’ankizy tsy manan-tsiny aza. Misy koa ireo dimy volana any an-tranomaizina fotsiny. Tsiahivina anefa fa tena misy fiantraikany goavana eo amin’ny fiainan’ilay ankizy voaolana,  indrindra manoloana ny fiarahamonina ny fanolanana nihatra taminy. Misy ireo tsy tafarina intsony mihitsy ny fiainany noho ny fitondrana vohoka tsy fidiny. Ao koa ireo tsy afa-mivelatra intsony sy matahotra miseho vahoaka noho ny hirifiry nampitondraina azy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT