Sosialy

Ankizy maro be tsy miditra an-tsekoly Mikaroka vahaolana ny CONAMEPT


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Notanterahina nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny fiandohan’ny volana mey ho avy izao ny fanamarihana ny herinandro eran-tany ho an’ny hetsika fanabeazana ho antsika eto Madagasikara.

 

 

Anisan’ny mandray anjara feno amin’izany ny  « COalition NAtionale Malgache pour l’Education Pour Tous » na ny CONAMEPT,  tarihin’ny mpandrindra nasionaliny Rakotoarivony Huguette. Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 2003 no nanomboka nomarihina teto Madagasikara ny  herinandro eran-tany ho an’ny hetsika fanabeazana, niarahana tamin’ny “Global Campaign for éducation”. Noraisin’ny CONAMEPT ny fivoizana izany nanomboka ny taona 2014. Ny tanjon’ity fiarahamonim-pirenena ity dia ny hitadiavam-bahaolana mahakasika ireo ankizy sy tanora  tsy mbola afaka mianatra ara-dalàna eto amintsika sy ireo mpampianatra misedra olana. Lohahevitra noraisina tamin’ity ny hoe :  “Zoko feno ny mahazo fanabeazana”. Tsy izay anefa no tena zava-misy eto amintsika, hoy Rakotoarivony Huguette ka tsy afaka ny hipetra-potsiny izy ireo. Mbola betsaka ireo ankizy mivarotra harona plastika, ireo miasa an-trano… Anisan’ny hitadiavan’izy ireo  vahaolana ihany koa ny momba ireo mpampianatra kely karama nefa miasa mafy. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny fanatanterahana ny fanaovana ny drafi-pampianarana vaovao na ny PSE izay fantatra fa tsy ampy ny vola hampiasaina ary efa nankatoavina tamin’ny taona 2017 ny fampiharana azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT