Sosialy

Ankizy manana fahasembanana Mbola sahirana miditra an-tsekoly


  • Alakamisy 26 Septambra 2019

1 638 162 amin’ny mponina miisa 23 812 681 ireo olona manana fahasembanana tamin’ny taona 2015. 2,8% amin’izay no sembana ara-batana, 1% ny ara-pahitana, 1,7% ny amin’ny fihainoana.

 

 

11,5% monja no misitraka fanabeazana araka ny tatitry ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Araka ny lalàmpanorenena Malagasy anefa dia zon’ny ankizy sy ny olom-pirenena rehetra ny hahazo fanabeazana ary manan-jo hobeazina ny olona manana fahasembanana. Nisy ny fiaraha-mientana tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly niarahana tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), amin’ny alalan’ny departemanta mba ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy manana fahasembanana. Notanterahana izany amin’ny alalan’ny tetikasa Mahay izay tohanan’ny Christoffel Blinden Mission (CBM) ka tanjona manokana ny fampitomboana ny isan’ny ankizy manana fahasembanana mba hiditra an-tsekoly avokoa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT