Ankizy "autiste"

Tsy ahikikilika fa omena ny fahalalana sahaza azy


  • Talata 09 Jolay 2024

Azo sokajiana ho olona manana ny maha izy azy sy manam-pahaizana ny

olona “autiste” hoy i Idealy Andrianantoanina, Mpanabe ao amin’ny Centre Espoir MALINJO. Raha ny eto Madagasikara dia mbola miseho amin’ny endriny maro ny fanilikilihana ny olona manana fahasembanana. Toe-javatra izay tsy tokony hisy mihitsy satria manan-jo iaina toy ny olon-drehetra ny olona manana fahasembanana. Iray amin’ireo fikambanana mandray an-tanana ny ankizy “autiste” sy ny “trizomie” ny Association des Educateur Espoir Malinjo etsy amin’ny EPP Analakely. Araka ny fanazavan’izy ireo dia tokony omena fahalalana sahaza azy ny ankizy “autiste” ary tokony efa miara-miaina amin’ny ankizy tsy manana fahasembanana. Ankoatra ny fanabeazana maha olona sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary ny fampianarana kajy dia tanjon’ny Centre Espoir MALINJO ny hapiditra ny ankizy eny anivon’ny sekoly misy ireo mpianatra tsotra amin’ny alalan’ny “classe inclusive”. Mifampitohy amin’ny eny an-tsekoly ihany koa ny fanabeazana omen’ny Ray aman-dreny satria saika miaina fanavakavana ny ankizy “autiste” eny anivon’ny fiaraha-monina. Ireny ankizy ireny izay tsy tokony atao ho vesatra mihitsy raha ny nambaran-dtoa Rahelisoa Suzette Yollande, renim-pianakaviana manan-janaka “autiste”.
LALAINA RAV

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT