Sosialy

Ankizivavy malagasy Ampianarina ho tompon’andraikitra feno


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Ankizivavy latsaky ny 16 taona, miisa 180 avy amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy, no nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra “tournoi U-16”,

 

 izay notontosaina teny Carion ny alakamisy hatramin`ny sabotsy lasa teo, tao anatin’ny hetsika Bi.Mi (Be inspired – Makà Inspiraka). Mbola nisy koa ny dinidinika sy fifanakalozan-kevitra ary mbola tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy, izay marihina isaky ny 11 oktobra izy ity. Nisy hatrany ireo vehivavy no nijoro vavolombelona, nanome anatra sy nanoro lalana an’ireo ankizy ireo, araka ny traikefany avy, ny lalana efa nandalovany sy ny faharesen’izy ireo lahatra. Saika niray feo sy niombon-kevitra avokoa izy ireo fa mila mahafantatra sy manoritra sahady ny tanjom-piainany ny ankizivavy, tsy miala amin’izay tanjona sy vinany izay ary manao izay hahatrarana izany amin’ny fomba rehetra. Ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fikambanana Youth First, TanoraGaran’Teen, ny AfriYAN ary Bi.Mi no nikarakara ny hetsika. Ny tanjona dia ny famolavolana sy fanentanana ny ankizivavy mba ho tompon’andraikitra feno, indrindra eo amin’ny lafiny firaisana ara-nofo sy fahasalamana ara-pananahana  ka ny lohahevitra nifampiresahana nandritra izany dia « Tovovavy aho, manana tanjona, mandray andraikitra ».

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT