Sosialy

Ankizin’ny akany nitsoaka Niala tany Ambohidratrimo, tany Carion vao hita


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Zazalahy miisa telo samy tsy ampy taona nobeazina tao amin’ny akany fanabeazana ireo zaza nania ao Alakamisy Ambohidratrimo no tafatsoaka afak’omaly 01 febroary.

Antso avy amin'ny olona tsara sitrapo monina ao amin'ny fokontany Ambatokely, kaominina Ambanitsena izay nahitana azy ireo no nahatrarana azy ireo izay nandalo tao amin'io fokontany io. Notazonina tao amin'ny zana-tobim-paritra Carion izy ireo mandrapaha-tongan'ny tompon’andraikitra. Afak’omaly ihany moa dia efa naverina teny amin'ny akany izy ireo. Tsiahivina fa tovolahy kely avokoa izy ireo. Anton’ny fitsoahany raha araka ny siosion-dresaka ny faniriany hiverina hirihariha eny anivon’ny fiaraha-monina indray. Miisa 300 eo ho eo moa ireo ankizy beazina ao amin’ity akany ity amin’izao. Ankoatra ireo karazana halatra dia anisan’ny heloka hanenjehana ny sasany amin’izy ireo ny fanolanana/

Nangonin’i Pati

Legende : Ireto izy telolahy kely

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT