Sosialy

Ankilimarovahatse - Amboasary Atsimo Ankizy miisa valo matin’ny hanoanana


  • Talata 29 Septambra 2020

Mamely ny kere any atsimo. Mihantona ny orana. Tsy misy antenaina ny vokatry ny fambolena. Atao varoboba ny biby fiompiana mba hividianana rano sy sakafo.

 

 Malagasy maro no misedra olana ara-tsakafo ankehitriny. Lasibatra ireo marefo, dia ny zokiolona sy ireo zaza madinika. Maro no mamoy ny ainy noho ny hanoanana. Tao Ankilimarovahatse Fokontany iray any Amboasary Atsimo, izao dia fantatra fa ankizy miisa valo no namoy ny ainy ny faran’ny herinandro teo vokatry ny hanoanana tafahoatra. Miantso vonjy ny mponina any, rahoviana no mba hisitraka « Vatsy Tsinjo » na koa « Tosika Fameno » hisorohana ny fahafatesana mirarakompana noho ny hanoanana.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT