ANKIDODONA II AMBATOLAMPY

Nahazo rano fisotro madio, 30 taona aty aoriana


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Nahazo rano fisotro madio ny ao amin’ny Fokontany Ankidodona II Ambatolampy.

Tontosa omaly maraina ny fanokanana ireo paompy miisa telo sy siniben-drano iray ao an-toerana, toerana izay misy ny ozinina lehibe indrindra an’ny orinasa STAR. Nitarika ny fitokanana ny tale jeneralin’ny STAR, Atoa Marc Pozmentier, notronin’ireo manam-pahefana teny an-toerana. Nivoitra nandritra izany fa efa ho 30 taona izao no tsy nananàn’ny fokontany Ankidodona II paompy raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ambatolampy. Ankehitriny kosa dia voavaly ny hetahetan’ireo mponina amin’ny fahazoana izao foto-drafitrasa vaovao izao ka efa misitraka rano fisotro madio akaikin’ny trano fonenany avokoa ny rehetra. Namboarina manaraka ny fenitra ilaina ireto paompy ireto mba tsy ho mora simba sy haharitra. Tsy manahy intsony ny mponina amin’ny fahazoana ireto paompy ireto fa hahazo rano fisotro madio hatrany na dia amin’ny hain-tany aza, fotoana mamparitra ireo loharano fatsàkan’ny mponina izay 1 km miala eo amin’ny fokontany raha araka ny fanazavan-dRamatoa Rasoalalarimanana Louisette Eliane, filoham-pokontany.Amin’ny mahaorinasa tompon’andraikitra ny STAR dia miezaka hatrany izy mitondra ny anjara birikiny ho an’ny mponina amin’ny alalan’ny asa sosialy hataony tahaka izao. Maro ny asa fanohanana ny vahoaka natao tao Ambatolampy ary mbola hitohy hatrany izany amin’ny taona ho avy.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT