Sosialy

Ankeniheny Tanjombato Maro ireo fitaovana simban’ny herinaratra


  • Alatsinainy 04 Oktobra 2021

Velon-taraina mafy ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ankeniheny Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 Nanomboka ny andron’ny Alarobia teo mantsy dia nihenabe izaitsizy ny tanjaky ny herinaratra eny amin’iny faritra iny ka nanimba fitaovan-tokantrano maro. Tsy mahazaka akory na dia radio sy famanana rano aza izany, raha tsy feno ihany koa ny finday iray mandrapaharainan’ny andro hoy hatrany ny fitarainan’ny mponina. Tsy maintsy arehitra manomboka amin’ny 03 ora folakandro ihany koa ny jiro na ny takamoa ao an-trano fa mitsilopilopy raha amin’ny 02 ora maraina any ho any vao tena mazava izany. Misy tamin’ireo tokantrano teny amin’iny faritra iny araka izany no nahavita nisolo takamoa 4 mandrapaharainan’ny andro fa maty hatrany izany hapetaka. Nomarihin’ny mponina moa fa misy ilay tetikasa antsoina hoe : baedoung hiarahana amin’ireo tera-tany Sinoa ao amin’ity Fokontany ity ka tsy fantatra mazava na mety hisy hifandraisany amin’ity herinaratra mitsilopilopy eny an-toerana ity izany na tsia.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT