Sosialy

Ankazotoho Anosizato Nitokona ireo mpitondra cyclo posy


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Nitokona avokoa ireo mpitondra cyclo posy mampitohy an’Ankazotoho sy Anosizato omaly maraina.

Noho ny fisian’ireo bajaja  maromaro izay an’olon-tsy fantatra tonga manao asa fitaterana eny an-toerana no antony, efa nanao fanandramana nandritra ny andro vitsivitsy  ary tsy  maka saran-dalana.  Tokantrano marobe  anefa no mety tsy hihinan-kanina intsony raha mbola manohy ny asany ireto bajaja ireto. Mahatratra 170 isa izy ireo ary raim-pianakaviana avokoa no mitondra azy, mamelom-bady aman-janaka. Ankoatra izay, raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana izay manohana akaiky ireto mpitondra cyclo posy ireto ihany koa dia nampihena ny asa fanendahana teny an-toerana  ny fisian’izy ireo  ankoatra ny famahana ny olan’ny fitaterana. Miasa  manomboka amin’ny 3 ora sy sasany maraina izy ireo isan’andro ary amin’ny 8 ora sy sasany alina vao mirava, mijery sy miandriandry ireo mpiasa sy mpianatra sendra tratra alina. Miantso ny kaominina Anosizato Andrefana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny mponin’Ankazotoho mba hijery akaiky ity tranga ity. Marihina moa fa nobahanan’ireo mpitondra cyclo posy ireo mpitondra bajaja omaly izay marihina fa tsy mahalala na inona na inona. Efa tany Soavina moa no fantatra fa voaroaka ireto bajaja ireto ary izao nitady lalana eny Ankazotoho Anosizato izao indray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT