Sosialy

Ankazotoho Anosizato Nariana tao ambany sarety ilay zaza menavava


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Zaza menavava iray tombanana ho herinandro latsaka an-tany eo ho eo no nisy nanary tao ambany sarety mijanona ary hitan’ny fokonolona afaka omaly Talata tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.

 

Tao amin’ny Fokontany Ankazotoho, kaominina Anosizato Andrefana no nitrangan’izany. Olona roa no nisy nahatazana teo akaikin’io sarety io tamin’ny fotoana nitrangan’ny tantara saingy tsy nieritreritra zavatra hafa. Rehefa nahare feon-jaza nitomany ny sasany vao tonga saina ka nahita ilay tsy manan-tsiny izay mbola velona soa aman-tsara no sady voafono lamba ihany koa. Voatery notazonin’ny komitim-pokontany ity zaza ity tamin’io alina io raha omaly kosa no fantatra fa nentina nanatona ny mpitandro ny filaminana izy hahafantarana izay tokony hatao. Raha ny vinavinan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga moa dia olona nandalo tsy mipetraka ao amin’ity Fokontany ity no mety ho tompon’antoka tamin’izao fanariana zaza izao izay marihina fa lahikely. Na izany aza dia efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT