Sosialy

Ankazotoho Anosimahavelona Tapaka efa ho 4 andro ny jiro


  • Zoma 15 Janoary 2021

Velon-taraina mafy ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ankazotoho Anosimahavelona.

 

 

 

Tapaka nanomboka tamin’ny Alahady teo mantsy ny jiron’izy ireo ary mbola tsy niverina hatramin’ny omaly nanoratana ny vaovao. Raha araka ny vaovao azo dia noho ny fahasimban’ny transformateur ao an-toerana no antony mahatonga izany, izay nambaran’ny Jirama fa mbola miandry fitaovana avy any Fianarantsoa raha araka ny fitarainan’ireo mponina hatrany. Ao amin’ny faritra fahatelo sy fahaefatra no tena voakasik’izany raha araka ny fantatra hatrany misy tokantrano mihoatra ny 1.000 mahery. Manao antso avo amin’ny orinsa Jirama araka izany ireo mponina ao an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy. Maro amin’ireo ankizy mpianatra mantsy no voatery mianatra amin’ny labozia, fandaniana hafa havoakan’ny isan-tokantrano nefa ny jiro isam-bolana tsy maintsy aloha ihany koa. Tsy ho an’ny jiro ihany moa fa saika mahita faisana amin’ny famatsian-drano fisotro madio daholo ihany koa ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ho an’iny faritra Ampasampito sy Ankadindramamy iny ohatra dia zary lasa fiainan’ny mponina ny miandry rano amin’ny alina fa tsy afaka matory ara-dalana intsony ny maro an’isa koa hanairana ny orinasa Jirama ihany koa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT