Sosialy

Ankazotoho Anosimahavelona Potiky ny tondra-drano ny karinem-pokontanin’ny olona


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Fokontany iray mandrafitra ny kaominina Anosizato Andrefana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Ankazotoho Anosimahavelona. Betsaka ireo olana sedrain’ity fokontany ity rehefa fotoam-pahavaratra toy ny haratsian’ny lalana, ny tondra-drano ...

 

 

 Tamin’ny fotoam-pahavaratra farany teo dia tena namela takaitra maharary ho an’ity Fokontany ity ny tondra-drano. Ankoatra ireo fitaovam-pianaran’ny mpianatra sy ny kojakojan-tokantrano mantsy dia lasan’ny rano ihany koa ny karnem-pokontanin’ireo ankohonana maro. Nitaraina mafy tamin-dRasolofonoroniaina Julia Mickaelle ( Rtoa Misha) solontenan’ny governoran’ny Faritra Analamanga sy ny solombavambahoaka araka izany izy ireo omaly. Manahy ny tsy hahazo ilay sosialim-bahoaka mantsy izy ireo nefa tena fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroany. Nambaran’ity solontenam-panjakana ity nandritra izany fa hohamarinina eny anivon’ny Fokontany ny anaran’izy ireo ary tsy maintsy hahazo sy hisitraka izany ireo tena marefo. Na izany aza hoy hatrany Rtoa Misha dia tsy tokony hikorontana fa milamina tsar any rehetra miandry ny anjara fanampiana ho tonga eny am-pelatanany.Notsindriany ihany fa izay nahazo Tosika Fameno dia tsy mahazo ilay sosialim-bahoaka intsony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT