Tovolahy nitsirara teo amin’ny arabe no nitangoronan’ny olona teny Ankazomanga omaly maraina.
Nentina teny amin’ny Hopitaly HJRA saingy re fa tsy tana intsony ny ainy. Maro no niahiahy fa coronavirus no nahavoa azy, satria io rahateo izao no aretina malaza amin’izao fotoana izao. Efa aretim-bavony nitaiza hatry ny ela no nanjo azy, hoy kosa ny fanazavana heno. Matetika izy rehefa ao an-trano dia miboridana foana ary io omaly maraina io dia nifamonjena nentina teny amin’ny "rond point" satria nisy Ambulance nijanona teo. Indrisy fa tsy nisy nitondra ilay marary ilay “Ambulance” satria tsy nisy mpamily ka Taxi nahafantatra no namonjy azy. Efa nandoa be tao an-tranony ilay tovolahy no niantsoantso an’ireo mpiray vodirindrina, hoy ny fanazavana. Nentina teny amin’ny "Dispensaire" akaiky teo izy, ka ry zareo tao indray no nilaza fa tokony ho any amin’ny hopitaly. An-dalana handeha dokotera no tsy nisy fiara mba tapa-kevitra hitondra io ary nandiso fanantenana hatramin’ny mpitandro filaminana satria dia nitazam-potsiny daholo,araka ny fanazavana azonay hatrany. Efa tsy nahatsiaro tena ity tovolahy ity kanefa tara ny famonjena ny ainy. Efa any amin’ny fianakaviany ny razana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.