Sosialy

Ankazomanga-Tsaramasay Anio maraina vao mety hiverina ny jiro


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Niaina tao anaty haizina tanteraka ny mponina teny Ankazomanga sy Tsaramasay nanomboka ny talata lasa teo, ary efa nisy ny mponina naneho ny fahasosorany ka nandoro kodiarana teny an’arabe.

 

 

 

Noho ny fahasimban’ilay tranon-jiro ao an-toerana izay manaparitaka ny herinaratra ho an’ny isan-tokantrano no voalaza fa antony. Rehefa nidina teny an-toerana anefa ireo ekipa teknika eo anivon’ny orinasa JIRAMA dia fantatra fa goavana ny fahasimbana, hany ka voatery nentina namboarina tany amin’ny toeran-kafa mihitsy ilay fitaovana. Anio zoma maraina vao mety hiverina ny jiro noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao. Tsiahivina fa tena nandeha tokoa ny varotra labozia teny Ankazomanga sy Tsaramasay nanomboka ny talata lasa teo. Toraka izany koa ireo takamoa mandeha amin’ny rano izay nisy nanararaotra nivarotra nandehandeha mihitsy iadiana amin’ny delestazy. Mikasika ny JIRAMA dia tsiahivina fa nalana tamin’ny toerany nandritra ny filankevitry ny ministra notanterahina ny alarobia hariva teo ny ny tale jeneralin’ny orinasa Atoa Jaomiary Olivier.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT