Sosialy

Ankazobe Mpianaka no indray matin’ny pesta


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Namono olona indray ny aretina pesta atoditariana tany Fiadanana Ankazobe.

 

 

 Olona mianaka samy lehilahy avokoa,  40 sy 14 taona no indray namoy ny ainy tany an-toerana  izay fantatra fa nielanelana herinandro monja. Ilay zaza no namoy ny ainy voalohany, hoy ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Tsy fantatra izay nahazo azy fa namoy ny ainy izy ary dia nalevina izay toa tsy nisy taratasy nanazava ny aretiny avy amin’ny dokotera akory. Narary indray ilay rainy niteraka azy 40 taona taorian’izay. Rehefa nahatsiaro tsy fetezana diso tafahoatra izy dia nanatona ny CSB ao Fiadanana.  Fantatra fa efa ela ity raim-pianakaviana ity no tratry ny aretina pesta ka efa nahazo vahana tao anatiny ilay aretina ary tsy nahatohitra izany intsony ny ainy. Maty ihany koa izy vokatr’izany. Ankoatra azy mianaka ireto dia tovolahy iray 20 taona izay nifanerasera be tamin’izy ireo ihany koa no fantatra fa voa saingy avotra soa aman-tsara ny ainy. Voatery nidina tany an-toerana nanao fanentanana sy nizara fanafody ho an’ireo fianakavian’ny maty ny minisitera ka olona miisa 11 hatreto no efa nahazo fanafody sy nozahana maimaimpoana ny fahasalamany. Miantso ny rehetra mba samy ho malina manoloana ny mety ho  fisian’ny aretina, indrindra amin’izao fotoana manakaiky ny  fiavian’ny ranon’orana izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT