Sosialy

Ankatso Nesorina avokoa ireo tany ahiana hihotsaka


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Vonona hiatrika ny fotoam-pahavaratra ireo mponina ao anatin’ny Boriborintany faharoa, kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

Nesorin’izy ireo  avokoa ireo tany ahiana hihotsaka eny Ankatso omaly ho fiarovana ny ain’ny mponina. Taorian’ny fitsirihana  nataon’ny ekipa Teknika sy ny fitarainan’ny mponina eny amin’ny manodidina  no nandraisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Boriborintany faharoa izany fanapahan-kevitra izany. Ankoatra ity toerana efa nokarakaraina ity dia faritra maro eto an-drenivohitra no fantatra fa ahiana mety hisian’ny tany mihotsaka, antony mampamalina ny kaominina Antananarivo Renivohitra tahaka izao. Nodiovina daholo ihany koa  moa ireo tata-drano eny  anivon’ny Boriborintany faharoa  toy ny teny Ambanidia sy Ambolokandrina,  ho fisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Miantso ny rehetra hatrany mba hanao vaindohan-draharaha ny asa fanadiovana ny tanàna sy ny tata-drano ny kaominina ho tombontsoan’ny rehetra.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT