Sosialy

Ankatoky ny fety Mila mitandrina amin’ny sakafo lany daty sy be menaka


  • Zoma 23 Desambra 2022

Anio zoma sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely ny fianakaviana Malagasy. Tsy afa-misaraka amin’izany ny hanim-pito loha ankoatra ny fitafiana vaovao.

Mampahafantatra antsika araka izany Ramandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana mikasika ny fandanjalanjana ny sakafo hanina. Tsy dia tsara loatra raha araka ny fanazavany ny sakafo be menaka izay mety hanimba ny aty sy ny vavony. Toraka izany ihany koa ireo sakafo efa lany daty miparitaka eny an-tsena toy ny bisikoitra sy vatomamy ary ny maionezy amin’ny boaty….Toraka izany ihany koa hoy izy ny fimamoana diso tafahoatra izay mety tsy hahatsiarovana tena mihitsy ka hahatongava hatreny amin’ny hopitaly. Raha hafaliana sy hafinaretana mantsy no tokony ho azo hoy izy mandritra ny fety dia mety hivadika ho fahasahiranana hamoaham-bola mihitsy izany raha tsy hay ny mandanjalanja azy. Mampahatsiahy ny olona rehetra ihany koa moa ity mpitsabo ity ny amin’ny tokony hitandreman’ny tsirairay manoloana ireo olona mamo mitondra fiara na moto eny an-dalana eny ka mety handratra na hamono tampoka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT