Sosialy

Ankadinondry Tsy nisy halatra taova izany, hoy ny zandary


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Nanitsy ny vaovao miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera, indrindra any amin’ny Faritra tapany andrefan’Itasy sy atsinanan’i Bongolava iny ny zandary fa tsy halatra taova izay mampihorohoro ny mponina no tranga nisy.

 

 

 

Tsy nisy taova tsy tazana tamin’ireo vehivavy roa hita faty. Vehivavy roa tokoa no nisy namono tany Ankadinondry, amin’ny lalam-pirenena voalohany afaka an’Analavory hihazo an’i Tsiroanomandidy. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 40 sy zazavavy 14 taona izay nifanao 4 andro no nahitana ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Ilay ramatoa hita faty ny alatsinainy heriny dia heverina fa voatondraky ny rano mangotraka ny vatany raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana, niara-nisotro toaka tamin’ny zanany izy io ary avy eo nanjavona ny alahady hariva fa efa samy mamo. Nifampitadiavina nanomboka teo fa ny ampitso vao hita ary efa vatana tsy misy aina intsony. Ilay tovovavy 14 taona kosa dia nisy nanolana. «Niasa tany Analavory ity farany, ary nasain’ny ray aman-dreniny mba mody kely aloha. Ny mpampiasa nilaza fa efa nalefa fiara fitaterana izy ny talata heriny kanefa ny alakamisy heriny androany vao hita ary efa vatana mangatsiaka tanaty katsaka amoron-dalana. Nanaovan’ny olon-dratsy herisetra ara-nofo izy, noratraina ary tsy namelan’ireo raha tsy maty, araka ny fizahan’ny dokotera. Olona maro no voasaringotra amin’ireto raharaha ireto ka mbola eo am-panatanterahana ny famotorana sy ny fanadihadiana tanteraka izahay”, hoy ny zandarimariam-pirenena miasa amin’iny faritra Ankadinondry iny.  Ampitaina eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha, hoy ny mpitandro ny filaminana fa tsy hita hatreto ny nanatanteraka ny famonoana.

Haja Nirina

Tsy mitombina ny horohoro amin’ny tapany andrefan’ny Faritanin’Antananarivo fa misy halatra taova, araka ny vaovaon’ny mpitandro ny filaminana (sary fanehoana)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT