Bisikileta manodidina ny 500 nitatitra olona an-tsokosoko no voasakana teny Ankadimbahoaka, omaly maraina.
Ireo olona handeha hamonjy asa na manana anton-dia tsy maintsy hivoahana ny trano no fantatra fa tena manjifa sy mitaingina azy ireny. Nogiazan’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany izy ireo mba hatao fanadihadiana. Niteraka fimenomenomana teo amin’ireo mpitondra bisikileta sy ireo mpandeha moa izany ka saika nisy mihitsy ny fifamaliana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana. Diso mahatsiaro ho reraka vokatry ny dia an-tongotra isan’andro loatra mantsy ny besinimaro noho ny fitadiavana ny hanin-ko hanina nefa tsy azo omen-tsiny ihany koa ny mpitandro ny filaminana etsy an-daniny manoloana ny baiko azony. Hatramin’ny 500 ny bisikileta nogiazana. Niaiky moa ireo mpitaingina bisikileta fa nanao taingin-droa. Nisy ny nanana karinem-pokontany, tao ny nitondra bokim-pianakaviana nanamarina fa mpihavana, saingy nogiazana ihany. Tao no naneho fa noho tsy fananam-bola no nahatonga azy ireo nitondra olana. Tsy dia misy atahorana be amin’ny aretina, ary vokatry ny asa tsy misy no mba nanaovanay azy, hoy ny fitarainana. 2 na 3 andro no hanagiazana ireo bisikileta ireo, ary anton’ny fanasaziana ny fiovaovan’ny olona entina, izay entina hiarovana amin’ny fifindran’ny valanaretina, hoy ny Polisim-pirenena, izay nanambara fa efa hita foana mandalo eny Ankadimbahoaka ireo mpitondra bisikileta, ary efa nanaovana fampitandremana foana.
Pati sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.