Sosialy

ANKADILALANA, AMPAMARINANA,… Maromaro ireo efa nandao ny tokantranony


  • Talata 21 Febroary 2023

Tsy misy izay tsy mihorohoro ny amin’ny heriny sy ny haben’ilay rivo-doza Freddy ny rehetra izay vinavinaina hiditra an-tanety anio alina.

Ho an’ireo mponina monina eny amin’ny faritra ambony toerana voasokajy ho faritra mena toy ny eny Ankadilalana sy Ampamarinana dia tsy vitsy ireo efa nandao ny tokantranony nanomboka omaly. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia nisy tamin’izy ireo no tsy niala teny aminy mihitsy raha tsy tamin’ity indray mitoraka ity. Ny fihotsahan’ny tany tampoka amin’ny alina ka mety hamoizana ny aina sy ny fianjeran’ny vato no nambaran’ny Renim-pianakaviana iray fa tena atahoran’izy ireo. Mafotaka araka izany ny fitadiavana trano eny amin’iny faritra Tsimbazaza sy ny manodidina iny. Saika tsy dia miantehitra loatra amin’ilay fanatonana ny Fokontany izay hanome trano ho an’ireo traboina mantsy ireto farany, fanampiana entin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ho an’ireo mbola tsy nahita trano kosa dia lasa nifondra vonjy maika any amin’ny fianakaviany izy ireo….
Pati
Legende : Atahorana mafy ny faritra avo amin’izao fandalovan’i Freddy izao !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT