Sosialy

Ankadilalampotsy Valo lahy nanendaka mpivady avy niasa


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Mitaraina mafy noho ny firongatry ny mpanendaka ao amin’ny faritra misy azy ny sefom-pokontany sy ny lefiny ao Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato.

 

 

 

Roa na telo isan-kerinandro mantsy ireo lasibatra raha kely vokatry ny tsy fisian’ny herinaratra manazava ny tanàna. Ny kaominina efa vonona ny amin’izay anjara asany raha ny nambarany saingy mbola andrasana kosa ny JIRAMA. Vao tamin’ny zoma lasa teo, ohatra, dia mpivady avy niasa avy eny Andraharo no nendahina valolahy teo amin’ny SAMAF.  Tapitra nalain’ireo jiolahy avokoa vokatr’izany ny peratra teny an-tanan’ilay Ramatoa sy ny poketra nentiny raha mbola novonoin’izy ireo nitsahiny tamin’ny tany ihany koa ilay rangahy ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Misy mbola ankizy vao misondrotra ireo mpanendaka raha ny fantatra izay nanery ilay Rangahy mba hamoaka vola saingy rehefa tsy nahita izay notadiaviny izy ireo dia nanampatra ny heriny.  Tsy mbola afaka miasa moa hatreto ilay raim-pianakaviana na dia efa nivoaka ny hopitaly aza. Tsy maintsy hatao “scanner” mantsy  ilay lohany voahitsaka, raha ny fantatra  hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT