Sosialy

Ankadiefajoro Andoharanofotsy Tafaverina ao anaty saritany ny lalam-pokonolona eny


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Tao aorinan'ny fitarainana na “doléance” nataon’ireo mpampiasa ny lalam-pokonolona eny Ankadiefajoro Andoharanofotsy dia tafaverina tsara ara-dalana ao anatin’ny saritany

 nataon'ireo mpandrefy tany na “Géomètre expert” nalefan’ny foiben’ny fandrefesan-tany na “chemin public existant” izay voasokajy ho lala-masaka na “servitude de passage” efa fampiasan’ireo fokonolona tamin'ny tany mpanjakana teo aloha izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nopotehin'ireo milaza ho tompon’ny tany anefa ny lalana, hoy ny fanazavana. Nanampina sy namotika ny lalana rarivato nataon'ny fokonolona 30 taona io ka dia nametraka fitoriana ady heloka teny anivon’ny fampanoavana ireo mpampiasa ny lalana. Notoloran’ny depiote Naivo Raholdina, izay filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena, mpisolovava izy ireo. Nanamarina teny ny vaditany fa nopotehina tokoa ilay lalana ary ady heloka izany satria tsy nisy fahazoan-dalana na “ordonnance” sy fitsarana na “jugement” avy amin'ny fitsarana izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT