Sosialy

Anjozorobe Mirongatra ny vaky fasana


  • Zoma 07 Septambra 2018

Saika isan-kerinandro na latsak’izany aza no hisian’ny vaky fasana any amin’iny faritra Anjozorobe sy ny manodidina iny, raha ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana.

 

Ny alarobia 29 aogositra lasa teo, ohatra, dia fasana iray no vaky tao amin’ny fokontany Ambongabe, kaominina Ambongamarina. Herinandro katroka taorian’io, izany hoe ny alin’ny alarobia lasa teo kosa dia fasana roa no lasibatra tao Ambohitratsery, kaominina Marovazaha. Tsy voavohan’ny jiolahy ny vavahadin’ilay voalohany, ka ilay iray teo akaikiny no nanamparan’izy ireo ny fony. Ny tena mahazendana, dia tany amin’ny vatan’ilay fasana no namakiany azy, fa tsy teo amin’ny varavarana tahaka ny fahita hatrizay, izay midika fa tena efa hary fitaovana mihitsy ireo mpanao ratsy. Na misy amin’ireo olon-dratsy aza no tratra, dia mbola tsiambaratelo hatramin’izao ny hanaovana marina ity taolam-paty ity. Malaza kosa fa lafo be ny vidiny, ka izay no mampirongatra ny vaky fasana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT