Sosialy

Anjilava Sambava Pitik’afo no nampirehitra ilay fasana


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Fasana iray no nirehitra nipitihin’ny afo ny 02 desambra lasa teo teny Ambodiravina, Anjialava Sambava. Pitik’afo avy tamina fandoroana tanimbolin’olona no nahatonga ny afo raha araka ny vaovao voaray.

 Naharitra ora efatra ny afo nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro ka hatramin’ny 03 ora folakandro. Mponina tany an-toerana miisa 300 no nifanome tanana namono ny afo. Zavatra hafa indray anefa no nitranga taorian’izany. Rehefa voafehy mantsy ny afo dia niaraka nikorana ireo mponina ka noho ny hamamoana dia raikitra ny ady izay nihafara tamin’ny fifamelezana totohondry. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny Fokontany nandamina ny raharaha. Lehilahy manodidina ny 20 isa moa no indray nifamono nandritra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay fasana nirehitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT