Sosialy

Anjanamaitso Ampitatafika Zokiolona 6 no mba nahazo fanampiana


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Mifarana anio sabotsy ny 15 andro tapany faharoa hanatanterahana ny fihibohana. Nisy hatrany ny fanampiana nandeha tao anatin’izay iray volana izay saingy ny

 

 

nampalahelo dia zokiolona 6 monja hatreto no mba nahazo izany ho an’ny faritra Anjanamaitso Ampitatafika. Olona sahirana avokoa anefa ireo mponina ao an-toerana raha ny vaovao azo. 6 monja raba betsaka ireo zokiolona mandray vola fisotroan-dronono fa ny ankoatra izay dia mivelona amin’ny varotra amoron-dalana, mipetraka amin’ny zanany izay mivelona amin’ny asa fanamboarana biriky….Malahelo mafy araka izany ny mponina ary manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Nomarihin’ny mpitondra tenin’izy ireo moa fa ny an-tsasaky ny mponina ao Anjanamaitso dia zokiolona avokoa no sady sahirana. Ankoatra ireto farany dia mbola tsy nisy nahazo fanampiana ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana…. araka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT